Rakibolana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Mpanoratra: Rudy Ramananjo, Nanampy: Rivo Randria.

Famaritana ny zavatra ilaina[hanova | modifier le wikitexte]

Fampidirana ny teny[hanova | modifier le wikitexte]

Ny mpikambana no mampiditra ny teny mbola tsy misy ao anatin'ny rakibolana. Ny teny rehetra izay ampidirina dia arahina fototeny sy ny dikany. Afaka ampiana matoanteny koa ny fototeny. Rehefa vita izany fampidirana izany dia mitondra ny statut vaovao ilay teny. Ny mpandalo koa dia mampiditra ny teny , tsy mivantana akory, fa izay anontaniany ka tsy ao dia ho jeren'ny mpampiditra tena izy raha azo ampidirina.

Fanarahana ny teny[hanova | modifier le wikitexte]

Ny mpikambana (Mpanaraka) no manaraka ny fahamarinan'ny teny. Rehefa misy ny fahadisoana dia mandefa fanamarihana any amin'ny mpampiditra ity mpanaraka. Ny mpampiditra ihany no afaka manintsy izay diso mikasika ny teny nampidiriny. Ny mpandalo ihany koa dia TOKONY afaka miteny hoe izao ny hevitro amin'ity teny asehonareo ity. Dia manitsy araka izany ny mpampiditra raha toa ka eken'ny mpankasitraka ily izy. Raha toa ka tsia dia tokony hisy rakitra manokana hitahirizana ilay fanamarihana sy ny antony maha tsia azy.

Fankasitrahana ny teny[hanova | modifier le wikitexte]

Ny teny vaovao dia mbola tsy miseho eo anatrehan'ny mpandalo raha tsy mahazo ny fankasitrahan'ireo mpikambana mandidy izany (Mpankasitraka). Ny mpankasitraka no mandidy raha mendrika ho aseho eo amin'ny tranokala ny teny vaovao (mijery raha voahitsy tokoa ireo diso).

Fitadiavana ny teny[hanova | modifier le wikitexte]

Ny mpandalo dia mampiditra ny teny ary miandry ny valin'ny fitadiavana. Raha misy teny mifanojo aminy ao anatin'ny raki-bolana dia ampiseho azy ny foto-teny, ny matoan-teny ary ny dikan'ny teny. Tena mety mila milina fandrasan-teny mihitsy anie izany e.

Fitantanana ny mpikambana[hanova | modifier le wikitexte]

Misy karazany ny mpikambana, ao ireo afaka mampiditra teny vaovao, ao koa ireo afaka manaraka ny fahamarinan'ny teny sy ireo izay mandidy ny fisehoan'ny teny eo amin'ny tranonkala.

Famaritana ny asa aman'andraikitra[hanova | modifier le wikitexte]

Mpampiditra[hanova | modifier le wikitexte]

Ny asan'ny mpampiditra dia :

  • Mamorona ny teny vaovao (Tsy mety loatra ilay hoe Mamorona fa aleo hoe Mampiditra ihany)
  • Manaraka ny teny ary koa manova ny diso.
  • Mijery ny teny vaovao (tsy mbola ao anaty rakibolana) nanontanian'ny olona.
  • Mampita ny teny vaovao - ny azy sy ny natolotry ny mpandalo - eo amin'ny mpankasitraka.
  • Mametraka ny antony tsy nampidirana ny tolo-kevitry ny mpandalo amin'ny rakitra momba izany.

Mpanaraka[hanova | modifier le wikitexte]

Ny asan'ny mpanaraka dia :

  • Mijery sy manambara ny mpampiditra ireo teny vaovao misy fahadisoana.

(Rehefa mizotra soa amantsara ny kinasa dia tokony ho ny mpandalo no tena be mpanao azy ity)

Mpankasitraka[hanova | modifier le wikitexte]

Ny asan'ny mpankasitraka dia :

  • Mankasitraka ireo teny vaovao izay tsy misy fahadisoana.
  • Manova na manala ny teny efa sitraka (efa miseho eo amin'ny tranonkala).

Mpitantana ny mpikambana[hanova | modifier le wikitexte]

Ny asan'ny mpitantana ny mpikambana dia :

  • Mamorona ny mpikambana ary manendry raha mpampiditra izy na mpanaraka na mpankasitraka (na izy telo).
  • Manova na manala ny mpikambana.

Mpandalo[hanova | modifier le wikitexte]

Ny mpandalo dia :

  • Mijery ireo teny ao anatin'ny raki-bolana (voasitraka)
  • Mitatitra ireo teny diso tsipelina, mampita fanamarihana amin'ny hevi-teny

Famaritana ny hafatra[hanova | modifier le wikitexte]

Hafatra raisin'ny raki-bolana[hanova | modifier le wikitexte]

  • Fampidirana/Fanovana/Fanalana teny vaovao (mpandefa : mpampiditra, mpandalo -tsy mivantana-)
  • Fanambarana ny fahadisoana (mpandefa : mpanaraka, mpandalo -tsy mivantana-)
  • Fametrahana ny antony tsy nandraisana fanamarihana (mpandefa : mpampiditra, mpankasitraka -tsy mivantana-)
  • Fankasitrahana ny teny (mpandefa : mpankasitraka)
  • Famoronana/Fanovana/Fanalana mpikambana (mpandefa : mpitantana)

Hafatra alefan'ny raki-bolana[hanova | modifier le wikitexte]

  • Fijerena ny teny (mpandray : mpandalo)
  • Fizotran'ny fankasitrahana (mpandray : mpankasitraka, mpampiditra, mpanaraka)

Fampazahoana (an-tsary) ny fivezivezen'ny hafatra[hanova | modifier le wikitexte]

Aseho sary UML ny mpilalao sy ny hafany ary eo afovoany misy ny vata mainty -rakibolana-

Famaritana ny mety ho fampiasa ny raki-bolana[hanova | modifier le wikitexte]

Ho atao

Famelabelarana ny mety ho fampiasa ny raki-bolana[hanova | modifier le wikitexte]

Ho atao

Sary manazava ny mety ho fampiasa ny raki-bolana[hanova | modifier le wikitexte]

Ho atao