Pleiada (kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Tangoron-kintan' ny Pleiada maneho ireo kintana mazava indrindra
Pleiada ao amin'ny fari-danitry ny Adaoro

Ny Pleiada na tangorona M45 dia tangoron-kintana hita amin' ny ila bolantany roa, ao amin' ny fari-danitry ny Adaoro. Ny halaviran' ny tangoron-kintana amin' ny Tany dia mbola iadian-kevitra, fa araka ny fomba fandrefesan-kalavirana samihafa ampiasaina dia eo amin' ny 444 taon-kazavana eo ho eo ny halavirany amin' ny Tany.

Fiavian' ny anarana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiavian' ny anarana hoe Pleiada dia ireo zanak' i Atlas sy Pleionê fito mirahavavy: Asteropê, Meropê, Elektra, Maia, Taigetê sy Kelaino ary Alkionê.

Kintana[hanova | hanova ny fango]

Ny isan' ny kintana ao amin' io tangorona io dia eo amin' ny telo arivo eo ho eo; roa ambin'ny folo amin' izy ireo no hita maso. 2° ny fivelarany amin' ny lanitra, izany hoe in'efatry ny savaivon' ny Volana rehefa hita avy eto an-Tany. Ireo kintana sivy mangirana indrindra ao amin' ny tangorona dia mitondra ny anaran' ireo mpirahavavy fito ary ny ray aman-dreniny. Ny hazavan' izy ireo dia eo anelanelan' ny +2,86 sy +5,44 izany hoe hita maso.

Ireo kintan' ny Pleiada, tangorona misokatra M45
Anarana Fiantsoana Herin-kazavana miseho (V) Karazan'ilotro
Alkionê Eta (25) Tauri +2,86 B7IIIe
Atlas 27 Tauri +3,62 B8III
Elektra 17 Tauri +3,70 B6IIIe
Maia 20 Tauri +3,86 B7III
Meropê 23 Tauri +4,17 B6IVev
Taigetê 19 Tauri +4,29 B6V
Pleionê 28 (BU) Tauri +5,09 (miovaova) B8IVep
Kelaino 16 Tauri +5,44 B7IV
Asteropê 21 Tauri +5,64 B8Ve
22 Tauri +6,41 A0Vn
18 Tauri +5,65 B8V

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]