Pôsidôniôsy

Avy amin'i Wikipedia
Pôsidôniôsy

I Pôsidôniôsy avy any Apamea dia filôzôfa grika stôikiana, nomena anaram-bositra hoe "ilay atleta", dia manam-pahaizana sy jeôgrafa ary mpahay tantara koa. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ὁ Ποσειδώνιος ὀ Ἀπαμεύς / O Poseidốnios o Apameús. Teraka tany Apamea amoron' i Orontes (any Siria avaratra ankehitriny) tany amin' ny taona 135 tany ho any izy, ary maty tany Rôma tamin' ny taona 51 tal JK. taor J.K. Izy no solontena mamiratry ny fisainana helenistika, izay sady empirika no mpanao tombantombana, liana amin' ny zava-drehetra. Lasa skôlarka fahenina tao amin’ ny sekolin' ny stôikiana izy, rehefa maty ny mpampianatra azy, Panetiôsy avy any Rôdôsy, tamin’ ny taona 112 tal J.K.