Mawlid

Avy amin'i Wikipedia
Fankalazana ny Mawlid tao Kerala (India)

Ny Mawlid, na al-Mawlid al-nabawi, dia fety silamo, fahatsiarovana ny nahaterahan' i Mohamady, mpaminanin' ny finoana silamo, izay ankalazaina amin' ny ankapobeny ny faha-12 amin' ny volana Rabia al awal any amin' ny firenena silamo. Amin' ny teny arabo dia atao hoe ٱلْمَوّلِدُ na ٱلْمَوّلِدُ ٱلنَّبَوِيّ izay midika ara-bkiteny hoe "fahaterahan' ny mpaminany", ity fety ity.