Masoala

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny Valam-pirenen'i Masoala dia an avaratra atsinanan'i Madagasikara. Valam-pirenena manana velarana 2 300 kilometatra efa-mira natsangana tamin'ny taona 1997, io no valam-pirenena ngeza indrindra ao Madagasikara.

Io valam-pirenena io dia natsangana mba hiaro sy hamerina ny fananam-pirenena (karazan-gidro dimy ambin'ny folo no efa very tao Madagasikara hatry ny fahatongavan'ny olombelona.

Jeografia[hanova | modifier le wikitexte]

Ny valan-javaboarin'i Masoala miloko maitso sy manga

Ny toerana misy an'ny Valam-pirenen'i Masoala dia eo amin'ny Tanjon'i Masoala any avaratra atsinanan'i Madagasikara. Ao amin'ny faritra Sava (Faritan' Antsiranana) no misy azy.

Fandringanana ny ala[hanova | modifier le wikitexte]

Amorontsirak'i Masoala
Masoala Wasserfall.jpg

Ny tsindry amin'ny ala ao Madagasikara dia lehibe, tahaka ny tsindry atao amin'ny ankamaroan'ny ala trôpikaly manerana ny tany. Ny tsindry eo amin'ny alan'i Masoala sy eo amin'ireo miaro azy dia tsy nitsahatra hatr'izay ka hatramin'izao. Nihakatra ny tsindry atao amin'ny ala tamin'ny taona 2009, indrindra avy amin'ireo mivarotra hazo Dalbergia maritima sy hazo hariboke ; tapatapahana eny amin'ny ala voaaro sy avoaka ety ivelany na dia miezaka aza ny lalàla malagasy mikasika ny fiarovana ny ala. Ny fangalarana biby ao amin'ilay vala koa dia olana iray ihany koa ary tsy ampy fitaovana ny mpiambon'ny ala mba hiady amin'ireo "mpangalatra hazo" miasa ho an'ireo mpivaro-kazo miasa maizina. Araka ny loharano azon'i fatahirizana bibin'i Zürich, olona miisa efatra arivo no nivaro-kazo avy ao Masoala, mihaza ary mivarotra hena gidro. Hazo aman-jatony no tapaka isan-andro. Manana basy ny mpangalatra hazo ary tsindraindray mampitahotra mpiambona sy ny mponina miaina manodidon'ny vala.

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]