Valan-javaboarin'i Namoroka

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Wiki letter w.svg   Ity pejy ity dia pejy manirery ary tokony asiana rohy manketo ny pejy hafa. (Martsa 2010)

Asio rohy manketo ny lahatsoratra hafa misy fifandraisana amin'ny lazain' ity lahatsoratra ity.

Valan-javaboarin'i Namoroka
Ma-map.png
Valan-javaboarin'i Namoroka
Toerana Avaratra andrefan'i Madagasikara
Tanàna akaiky Soalala, Mahajanga
Velarana 220.71 km²

Ny Valan-javaboarin'i Namoroka na fantatra koa amin'ny hoe Valan-javaboarin'ny Tsingin'i Namoroka, dia valan-javaboary malagasy anankiray hita ao avaratra andrefan'ny nosy Madagasikara, ao amin'ny faritanin'i Mahajanga, ary ao amin'ny Distrikan'i Soalala.

Tantara[hanova | modifier le wikitexte]

Ny taona 1927[1] no niorina ny Valan-javaboarin'i Namoroka ary nanjary lasa réserve spéciale izy nanomboka ny taona 1966.

Toetrandro sy Jeografia[hanova | modifier le wikitexte]

Sahabo ho 50 km atsimon'i Soalala, any amin'ny ilany avaratra andrefan'i Madagasikara no ahitana azy. Maharitra fito volana ny vanim-potoana main-tany any, ary dimy volana kosa ny vanim-potoana fahavaratra. Ny mari-drefin'ny filatsahan'ny orana dia eo amin'ny 115 sm isan-taona, ary ny mari-pana kosa dia manodidina ny 25 °C.

Ireo tsingy, zohy, canyon no tena mampalaza an'io vala io.

Fanamarihana hafa[hanova | modifier le wikitexte]

Namoroka no anarana nosafidian'i Mozilla Firefox ho an'ny tao faha 3.6.[2] an'io rindrankajy io.

Rohy[hanova | modifier le wikitexte]

  1. The Tsingy de Namoroka National Park Sitesheet. World Database on Protected Areas.
  2. "Firefox 3.6 Namoroka". Mozilla. April 3rd, 2009. Retrieved on 2009-04-04.

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]