Mark Twain
I Mark Twain, na amin'ny tena anarany Samuel Langhorne Clemens, teraka ny 30 Novambra 1835 tany Floridao ao amin'ny faritan'i Missouri (Etazonia), maty ny 21 Aprily 1910 tany Redding ao amin'ny faritan'i Kaonektikioty, dia mpanoratra, ary mpanohatra amerikanina. Ny nampahalaza azy dia ny tantara The Adventures of Tom Sawyer (1876) ary ny tohiny, Adventures of Huckleberry Finn (1885).
Votoatiny |
Tantaram-piainana [hanova]
Toerana nibeazany [hanova]
Teo amin'ny Frontier (sisintany) amerikanina no tena nibeazany. Toerana efa mitombina amin'ny fiainana ara-tsosialy ny toerany nopetrahany sy ny fianankaviany.
Ny reniny, Jane Lampton, dia teraka tao amin'ny faritr'i Kentucky, ny fianankaviany dia anisan'ny mpanjanaka voalohany tonga tao Amerika Avaratra.
Ny rainy dia avy any amin'ny faritra atsimon'i Etazonia, nifindra tao Kentucky ny raibeny tamin'ny voalohandohan'ny taonjato faha-19 ho lasa mpitaky ny hetra (commissioner of revenue[1]). Ny rain'i Twain, Charles Clemens, dia nianatra zo tany Atsinanan'i Etazonia, niverina tao amin'ny kaontian'i Adair (Kentucky) ary nanambady an'i Jane Lampton tamin'ny 1824.
Jereo koa [hanova]
Tsiahy [hanova]
|