Latakia

Avy amin'i Wikipedia
Latakia any Siria

I Latakia dia tanàna ao Siria, renivohitry ny governôrata mitovy anarana aminy. Ilay tanàna, tamin' ny taona 2004, no tanàna fahefatra be mponina indrindra ao amin' ilay firenena, misy mponina 383 786, antsoina amin' ny anarana hoe Latakiôta. Amin' ny teny arabo io tanàna io dia atao hoe : اللاذقية / Al-Lādhiqiyya.

Io tanàna io dia miorina eo amin' ny toerana nisy mponina fahiny, akaikin' ny nisy an' i Ogarita fahiny. Renivohitry ny satrapia teo ambany fanapahan' ny Seleokida io tanàna io, izay nitondra ny anarana hoe Laôdikean' i Siria na Laodikia an-dRanomasina (amin' ny teny grika taloha: Λαοδίκεια ἡ Πάραλος / Laodíkeia hê Páralos; amin' ny teny latina: Laodicea ad Mareodice). Nanorina azy io indray i Seleokôsy I, izay nanome ny anaran' ilay tanàna hoe Laôdike reniny sy ny zanany vavy.

Taorian' ny fanjakazakan' ny Rômana sy ny Bizantina, dia anisan' ny fanjakan' i Antiôkia tamin’ ny fotoan' ny Kroazada izy io, talohan' ny nianjerany indray teo an-tanan' ny Mamelàka ary avy eo teo an-tanan' ny Tiorka (Empira Ôtômana). Nandritra ny vanim-potoan' ny ady dia renivohitry ny Fanjakan' ny Alaoita tsy naharitra ela teo ambany fiahian' ny Frantsay.

Ny maha zava-dehibe azy taloha sy ankehitriny, etsy ankilany, dia noho izy manana ny hany seranan-tsambo voaaro tsara eo amin' ny morontsirak' i Siria ary, etsy ankilany, noho izy akaiky ny lohasaha lonaka ao Ôrônta, izay nahatonga ny fananganana indostrian' ny sakafo sy lamba.