Laozi

Avy amin'i Wikipedia
Laozi
Ankapobeny
Anarana Laozi
Teraka 1 Janoary -604
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Laozi na Lao Tseu dia filôzôfa, mpanao asasoratra sy mpanoratra teraka tamin' taona 604 tal. J.K. Mety ho olon-kendry sinoa i Laozi ary, araka ny lovantsofina, dia niara-belona tamin' i Kônfosiosy (taonjato faha-6 tal. J.K. – tapaky ny taonjato faha-5 tal. J.K., faran' ny vanim-potoanan' ny Lohataona sy ny Fararano). Heverina ho rain' ny taôisma izy. Teraka tao amin' ny tanin' i Chu ao amin' ny Fanjakan' ny Zhou izy ary niala avy ao ho amin' ny fisintahana ara-panahy tany andrefan' i Sina nefa tsy fantatra ny toerana tena nalehany. Tsy misy firy sy tsy azo antoka ny zava-pantatra ara-tantara momba azy ary nipoitra avy amin' ny tarana-mpanjaka Hana ny tantaram-piainany, indrindra avy amin' ny fitantarana mahagaga sy ara-pivavahana; nihevitra ny mpikaroka misalasala sasany, hatramin' ny faran' ny taonjato faha-20, fa olona noforonina na fitambaran-toetran' olona izy fa tsy tena nisy ara-tantara.

Ny Tao Tö Ching ("Bokin' ny Lalana sy ny Hasina") izay ambaran' ny lovantsofina fa nosoratany dia lahatsoratra lehibe momba ny taôisma, izay heverin' ny firehana maro hafa ho zava-dehibe ihany koa. Heverin' ny Taôista ho andriamanitra (太上老君 / Tàishàng lǎojūn, "Tompo faratampony Laô”) sy ho toy ny razambeny i Lao Tseu.

Aseho ho toy ny lahiantitra manana volombava fotsy izy, indraindray mitaingina bofalô i Lao Tseu.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.