Lalao Olimpika 2010

Avy amin'i Wikipedia
Ny lôgô ofisialin'ny Lalao Olimpika 2010 any Vancouver

Ny Lalao olimpika 2010 na koa Lalao Olimpikan-dririnina 2010, na lazaina Lalao Olimpikan-dririnina faha XXII (21), dia hisy amin'ny 12 hatramin'ny 28 Febroary 2010 any Vancouver, eo amin'ny faritany mizaka-tenan'i Kolombia Britanika, any Kanada. Ny anaran'ny komity fandrindrana, ho an'ny lalao olimpika sy paralimpika dia COVAn amin'ny fiteny frantsay ary VANOC amin'ny fiteny anglisy.

Io Lalao olimpika io ny ho fahatelo atao any Kanada. Talohan'io, efa nandray ny Lalao Olimpika 1976 ny Kanada tany Montreal sy ny Lalao Olimpika 1988 tany Calgary. Ny vohitr'i Whistler, anisan'ny toerana isian'ny Lalaon'ny 2010, dia efa nametraka ny kandidatiorany tamin'ny 1976 fa tsy naharesy.

Araka ny fomba olimpika, ny ben'ny tanànan'i Vancouver taloha, i Sam Sullivan, dia nahazo ny saina olimpika nandritry ny seremônia fanidiana ny Lalao Olimpikan'i Turin tamin'ny 2006. Nampiakarina teo amin'ny tranon'ny ben'ny tanàna izy tamin'ny 28 Febroary 2006 hatramin'ny seremônia fankafana tamin'ny 12 Febroary 2010.

Fanatanjahantena misy[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka lalao ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]