Lakandranon'i Panama

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Diagramme du canal de Panamá.png

Ny lakandranon'i Panamá dia lakandrano namboarin'ny olombelona, mimampita ny isman'i Panamá any Amerika Anivo. Ny lakandranon'i Panamá dia lakandrano namboarina eo anelanelan'ny ranomasimbe Pasifika sy ny ranomasimbe Atlantika, ao Panamá no misy azy. Ny fanamboarana azy dia anisan'ny tetikasa ho an'ny inzenieria anisan'ny sarotra indrindra natao. Ny vokany teo amin'ny varotra miampita ranomasina dia goavana be, satria tsy mila miampita ny lalana makany amin'ny Tanjona Horn intsony ny sambo ; ny tanjona Horn dia tanjona any amin'ny farany atsimon'ny Amerika Atsimo. Ny sambo avy ao New York makany San Francisco noho ilay lakandrano, dia manao 9 500 kilometatra monja kanefa 22 500 kilometatra no tokony ataony rehefa tsy maka ilay lakandrano.

Ny fika anamboarana ny lakandranon'i Panamá dia efa nieritreretina tamin'ny taonjato faha 16, fa tamin'ny 1880 ilay lakandrano vao nanomboka namboarina, ambanin'ny fambosian'ny fantsay. Tao aorian'ny tsifahombiazan'ny frantsay, tapitry ny Etazonia ilay lakandrano ary i G. W. Goethals no nitondra ilay tetikasa. Nisokatra tamin'ny 1914 ilay lakandrano. Ny fanamboarana ny 77 kilometatra ilay lakandrano di feno olana isan-karazany : ny aretina, ny fihotsahan-tany ... Misy any amin'ny 27 500 tany ho any ny isan'ny olona matin'ny aretina sy matin'ny loza isan-karazany nandritra ny fanamboarana ilay lakandrano.

Hatry ny fanokafana azy tamin'ny 1914, betsaka ny fahombiazana azon'ilay lakandrano ary matetika andalovan'ny sambo mavesatra izy. Isan-taona, sambo 14 000 mahery no mandalo amin'io lakandrano io, ary 203 tapitrisa taonina ny lanja tontalin'ny entana entin' ireo sambo ireo. Hatry ny fanokafana azy hatramin'ny taona 2002, sambo valo hetsy mahery no efa nandalo tamin'io lakandrano io. Ny asa momban'ny fanitarana ilay lakandran dia natomboka tamin'ny 2007 ary mety ho vita amin'ny 2014, mba afahan'ny sambo mavesatra handalo ao.

Fanoritana[hanova | hanova ny fango]

Ny lakandranon'i Panamá dia lakandrano eo anelanelan'ny gôlfan'i Panamá ao amin'ny ranomasimbe pasifika, sy ny ranomasika Karaiba, eo amin'ny ranomasibe Atlantika. Ny endriky ny isman'i Panamá, mivilavila, dia mampikory ny lakandrano avy any avaratra andrefana makany atsimo atsinanana. Mba tsy hifangaro, ny fahefan'ny lakandrano dia nanasokajy ny fiampitana anaty sokajy roa : ny makany avaratra (Pasifika makany amin'ny Atlantina) ary ny makany atsimo (Atl. makany amin'ny Pas.).

Mpitari-tsambo makany avaratra

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.