Joany Filôpôno

Avy amin'i Wikipedia

I Joany Filôpôno dia mpahay fitsipi-pitenenana sy filôzôfa ary teôlôjiana kristiana miteny grika, mety teraka tany Aleksandria tamin' ny taona 490/495 tany ho any ary maty taorian' ny taona 568. Maro amin' ny sanganasany no voatahiry, na amin' ny teny grika na amin' ny fandikana amin' ny teny siriàka na amin' ny teny arabo. Amin' ny teny grika dia Ἰωάννης ὁ Φιλόπονος / Iôannês o Philoponos, fa amin' ny teny arabo kosa dia Yaḥyā al-Naḥwī izany hoe Joany mpahay fitsipiteny.