Jermana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Alemàna na Jermana dia vondrom-poko jermanika amin' ny heviny hoe mitovy kolontsaina alemàna izy ireo, manana ny fiteny alemàna ho fitenin-drazany ary avy amin' ny razambe alemàna. Ny Alemàna ihany koa dia faritana amin' ny maha olom-pirenena azy izay nanana, nandritra ny tantara alemàna, fifandraisana miovaova amin' ity kolontsaina alemàna ity, arakaraka ny fiantraikan' ny ambin-kolontsaina sy ny fiarahamonina amin' ny ankapobeny.

Amin' ireo mpiteny alemàna 100 tapitrisa eo ho eo maneran-tany, ny 75 tapitrisa no mihevitra ny tenany ho alemàna. Misy 70 tapitrisa ny olona avy amin' ny razambe alemàna (ny ankamaroany any Etazonia, Brezila, Arzantina, Sily, Kazakstana ary Kanada) izay tsy miteny alemàna intsony nefa mbola mihevitra ny tenany ho alemàna. Eo anelanelan' ny 75 sy 160 tapitrisa ny fitambaran' ny Alemàna maneran-tany, arakaraka ny mason-tsivana ampiasaina (fitenin-dreny, razambe alemàna manontoko na ampahany). Any Etazonia, ny 15,2 % amin' ny olom-pirenena dia heverina ho Amerikana manam-piaviana alemàna araka ny fanisam-bahoaka amerikana tamin' ny taona 2000, ka mahatonga azy ireo ho vondrom-poko faharoa lehibe indrindra manam-piaviana eorôpeana aorian' ny Britanika.