Indô-iraniana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Indô-iraniana, izay atao hoe Ariana koa, dia vahoaka indô-eorôpeana izay vondrom-poko miteny indô-iraniana, izay sampana lehibe ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ao amin'ireo faritra lehibe ao Eorazia. Anisan' ny vahoaka indô-iraniana lehibe ny Indô-ariana sy ny vahoaka iraniana.

Ny fiteny indô-iraniana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny indô-iraniana vondrom-piteny sampan'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, izay ahitana ireo fiteny iraniana sy ireo fiteny indô-ariana ary ny fiteny noristany.

Fiteny iranika na iraniana[hanova | hanova ny fango]

Indreto ireo fiteny iranika na iraniana: ny fiteny avestika, ny fiteny persiana taloha, ny fiteny iraniana antenatenany, ny fiteny persana vaovao, ny fiteny pastô (ao Afghanistàna), ny fiteny kiorda, ny fiteny balotsy, ny fiteny skitiana, ny fiteny sarmatiana ary ny fiteny ôsetiana.

Fiteny indô-ariana[hanova | hanova ny fango]

Indreto ireo fiteny indô-ariana: ny fiteny sanskrita, ny fiteny prakrita maro, ny fiteny hindy, ny fiteny ordò, ny fiteny bengaly, ny fiteny gojaraty, ny fiteny indiana maro, ny fiteny nepaly, ny fiteny singaley, ny fiteny darda maro (fiteny kasmiry, fiteny romany).

Fiteny noristany[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny fiteny noristany: ny fiteny askona, ny fiteny kamviry, ny fiteny katy, ny fiteny prasona, ny fiteny tregamy ary ny fiteny oaigaly.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]