Imperialisma

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny imperialisma dia fomba fitondrana izay ahitana firenena lehibe mitady hanitatra ny fahefany any ivelan’ny sisintaniny. Ny tanjon’ny imperialisma dia ny manangana empira. Manjaka ny firenena hafa amin’ny alalan’ny tafiny ny firenena imperialista. Na dia izany aza dia mety tsy mampiasa herin-tafiny ireo firenena ireo fa mametraka famehezana ara-politika ary ara-toekarena eo amin’ilay firenena.

Ny firenena manjaka araka ny imperialisma dia mitady hanangona ireo loharanon-karena voajanahary tanim-boly, na arak’olona amin’ny alalan’ny fanandevozana azy ireo na amin’ny alalan’ny fanofanana azy amin’ny asa kely karama (ary/na kely andraikitra). Mety ho antsoina hiady ho an’ny empira izy ireo. Mety ho azon’ilay firenena imperialista ihany koa ireo tsena an-toerana ary mety ho voatery hividy na hivarotra amin’ilay governemanta imperialista na indostrian’ny governemanta ny vahoaka.

Mety mahampanan-karena ary hitondra tombon-tsoa maharitra ho an’ilay firenena imperialista ilay politika imperialista.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.