Heraklito

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Heraklita)
Heraklito
Sary:Ca' Rezzonico - Eraclito 1705 - Giuseppe Torretti.jpg, Abraham Janssens - Heraclitus.jpg
Ankapobeny
Anarana Heraklito
Teraka -535
Maty -475
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Heraklito na Herakleitôsy dia filôzôfa grika presôkratika tamin' ny Andro Taloha avy any amin' ny tanànan' i Efesôsy na Efezy, izay tao amin' ny Empira Persiana tamin' izany. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἡράκλειτος / Herákleitos. Teraka tamin' ny 535 tal. J.K. ary maty tamin' ny 475 tal. J.K.

Vitsy ny zava-pantatra momba ny fiainan' i Herakleitôsy. Nanao asasoratra tokana izy, nefa sombiny no sisa tavela. Ny ankamaroan' ny fitantarana fahiny momba azy dia heverina ho noforonina taty aoriana ary mifototra amin' ny fandikana ny sombintsombiny voatahiry. Ny filôzôfiany, izay mampifanohitra, sy ny fankasitrahany ny kilalaonteny sy ny epigrama miafina sy mitory faminaniana, dia nahazo ny anarana hoe "ny maizina" sy ny "tsy mazava" hatramin' ny Andro Taloha. Noheverina ho mpisetrasetra sy azon' ny fahaketrahana izy, tsy tia ny olombelona sady matetika malahelohelo. Noho izany dia nanjary fantatra amin' ny anarana hoe "filôzôfa mpitomany" izy, mifanohitra amin' ny filôzôfa Demôkritôsy, izay fantatra amin' ny hoe "filôzôfa mihomehy".

Ny hevitra fototry ny filôzôfian' i Herakleitôsy dia ny firaisan' ny mifanohitra ary koa ny fiovana. Hitany koa ny firindrana sy ny rariny ao anatin' ny fifandirana. Heveriny ho toy ny mikorontana foana izao tontolo izao, "miova" foana fa tsy "mitoetra". Naneho izany tamin' ny teny toy ny hoe "Mikoriana ny zava-drehetra" (grika: πάντα ρει / panta rhei) sy "Tsy misy olona manitsaka indroa amin' ny renirano iray”. Io fanasongadinan' ny filôzôfiany ny fiovana io dia mifanohitra amin' ny an' ny filôzôfa fahiny Parmenidesy, izay nino ny fitomoetra sy ny tsy fiovan' ny zava-misy.

Tahaka ny Milesiana teo alohany - i Talesy nisafidy ny rano, i Anaksimandrôsy nisafidy ny apeiron, ary i Anaksimenesy nisafidy ny rivotra - i Herakleitôsy kosa nisafidy ny afo ho arche, ilay singa fototra nipoiran' ny singa hafa. Hitany koa fa manome firafitra an' izao tontolo izao ny logos.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.