Fredy Jaofera

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka biografia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Fredy Jaofera dia tsy Fredy Rajaofera. Fredy Jaofera dia zafikelin'i Fredy Rajaofera ary samy poety izy mianaka.

Enim-polo taona no elanelany. Fredy Jaofera dia ilay poety nianatra irery ny fanoratana ny teny malagasy ; ilay poety niezaka irery vao tonga mpanoratra sy poety. Be no nihevitra fa tsy ho vitany ny ho poety manoratra amin'ny teny malagasy satria ny teny frantsay no tenin'ny fahazazany kanefa nahery ny hambom-pony sy mafy ny kiriny.

Fito taona izy no tonga tao aminy ny hetahetan'ny fanoratana fa sivy taona vao nahasoratra tononkalo iray. Ireto no boky efa navoakany :

Tao amin'ny Faribolana Sandratra izy taloha ary ankehitriny izy dia ao amin'ny Fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy. Mpanorina sy Filoha lefitra voalohany ny Fikambanan'ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa izy ary Filoha lefitra ihany koa ny Trano Kolotoraly Malagasy eto Frantsa. Manana ny mari-boninahitra " Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture par la République de Madagascar izy.