Fotaka

Avy amin'i Wikipedia
Bofalô milona anaty fotaka

Ny fotaka dia nofon-tany tsotra na tanibetro na tanimanga mifangaro amin' ny rano ka manjary marihitra maditidity ary malama. Rehefa feno akora ôrganika ny fotaka ary mipetraka ao ambanin' ny rano, dia mandany ôksizenina ary lasa tsy ampy na tsy misy ôksizenina. Na izany aza dia azon' ny kankana na biby mpisitrika anaty fotaka atao ny manisy rivotra ny ao anaty fotaka. Matetika ny fotaka dia miforona aorian' ny orana na eo akaikin' ny loharano. Nihamafy ny angom-potaka tranainy nandritra ny fotoana jeôlôjika ka lasa vato na nofon-tany ditra toy ny sista na vatofotaka (antsoina matetika hoe lotita). Rehefa misy angom-potaka jeôlôjika miforona ao amin' ny vinanin-drano, dia antsoina hoe fotaka helodrano ny sosona aterak' izany.