Fivavahana ao Iràna

Avy amin'i Wikipedia

Ny fivavahana any Iràna dia anjakazakan' ny fivavahana silamo. Ny fivavahana ôfisialy any Iràna dia ny silamo siitan’ ny roambin’ ny folo (antsoina koa hoe imamisma) izay arahin’ ny 80 % amin' ny mponina any ho any. Manana môskea sy toerana masina maherin' ny 80 000 i Iràna, anisan' izany ny toerana masina siita atao hoe Qom, izay masina indrindra atsimon' i Teheran, dia ivon-toerana manan-danja amin' ny fivahiniana masina. Manodidina ny 19 % amin' ny mponina ao Iràna ny Sonita.

Ny Kristiana (miisa 250 000, ka ny antsasany dia manam-piaviana armeniana) sy ny Jiosy (miisa 30 000) no mipetraka ao Iràna, saingy ireo vondrom-piarahamonina ireo dia mihena isa hatrany. Iharan' ny fanenjehana ny Bahay (miisa 300 000) sy ny Zôrôastriana (miisa 30 000).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]