Fiteny urdu
Ny fiteny urdu ( اردو ) dia fiteny any Pakistana ary any India, mitovitovy be amin'ny fiteny hindi izy fa soratana amin'ny abidy arabo. Ny Urdu dia fiteny voasintona avy amin'ny fiteny Indô-eoropeana.
Misy olona 160 tapitrisa no miteny urdu eto Tany. Misy 70 tapitrisa eo no miteny urdu hatramin'ny fahazazàny, (indrindra any India, satria mikaonty anisan'ny teny ofisialy ny India ny fiteny Urdu).
Akaiky be amin'ny fiteny hindi ny fiteny Urdu (hindūstāni ny anarany taloha ny 1947 ; hita otra ny fiteny iray ny fiteny hindi sy ny fiteny urdu). Betsaka ny teny indramin'ny fiteny urdu any amin'ny fiteny persana sy fiteny arabo, ary nanampy feo vaovao ireo fiteny ireo tao anatin'ny sistema fônôlôjikany. Nanalavitra ny hindi ny urdu tamin'ny fisaràn'i India sy ny Pakistana tamin'ny 1947.