Fiteny litoanianina

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Litoanianina
lietuvių kalba

Isan'ny mpiteny 3,2 tapitrisa
Faritany Teny ofisialy ao Flag of Lithuania.svg Litoania ary ao amin'ny Flag of Europe.svg Vondrona Eoropeana, tenim-paritra any Polonia; ahitana mpiteny litoanianina ihany koa any Rosia ary any Letônia
Sata Flag of Lithuania.svg Litoania (teny ofisialy)
Flag of Europe.svg Vondrona Eoropeana (teny ofisialy)
Flag of Poland.svg Polonia (tenim-paritra)


Ny fiteny litoanianina dia teny ibeazan'ny mponina litoanianina. Io fitney io dia manana sata teny ofisialy any Litoania ary amin'ny Vondrona Eoropeana. Ny isan'ny litoanianina manana ny teny litoanianina ho teny nibeazana dia isaina eo amin'ny 2,9 tapitrisa ao Litoania ary 3 hetsy any ivelany. Ny teny litoanianina dia akaikin'ny fiteny Letôna, na dia tsy mifankahazo aza ireo ny mpitenin'ireo teny roa ireo. Soratana amin'ny alalan'ny abidy latina ny fiteny litoanianina. Ny mahasamihafa ny fiteny litoanianina amin'ny fiteny eoropeanina ankehitriny dia izy io manana endrika mifanakaiky amin'ny fiteny prôtô-indo-eoropeana, endrika izay verin'ny fiteny indô-eoropeana sasany.