Fiteny kasỳ

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kasỳ dia fiteny aostrôaziatika manana mpiteny iray tapitrisa mahery fotsiny any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India, indrindra ny vahoaka Kasỳ (Khasi) ao amin' ny fanjakan' i Meghalaya. Manana sata ôfisialy izy io any amin' ny distrika sasany amin' ity fanjakana ity. Ny mpihavana akaiky indrindra amin' ny fiteny kasỳ dia ny fiteny hafa ao amin' ny vondrona kasîka ao amin' ny Lembalemba Shillong; anisan' izany ny fiteny pnara, ny fiteny lingngama ary ny fiteny oara-jaintia.

Soratana amin' ny tarehin-tsoratra latina ny fiteny kasỳ. Tamin' ny tapany voalohany amin' ny taonjato faha-19 dia tsy nahitam-pahombiazana firy ny fanandramana hanoratra ny fiteny kasỳ amin' ny tarehin-tsoratra bengaly-asamey.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]