Fiteny ao Angôla

Avy amin'i Wikipedia
Mpanao fihetsiketsehana any Angôla mitondra sora-baventy amin' ny teny pôrtogey

Ny fiteny ao Angôla dia ahitana ny fiteny pôrtogey sy fiteny afrikana maro, ka ny fiteny pôrtogey no fiteny ôfisialy.

Fiteny eorôpeana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny pôrtogey[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny pôrtogey dia ampiasain' ny 78 %n' ny tokantrano angôley, izany hoe olona miisa 17 tapitrisa any ho any tamin' ny taona 2014, ka ny 91 % an-tanàn-dehibe fa ny 53 % ambanivohitra; ny 39 %n' ny Angôley no manao ny fiteny pôrtogey ho fiteny nibeazana (fitenin-dreny). Firenena faharoa miteny pôrtogey i Angôla raha ny velaran-tany no heverina fa fahatelo kosa izy raha ny isan' ny mponina no heverina.

Fiteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Any Cabinda, izay eo anelanelan' ny firenena roa miteny frantsay — ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy ny Repoblikan' i Kôngô — dia maro ny olona mampiasa ny teny frantsay mitovy amin' ny teny pôrtogey na tsara kokoa noho ity fiteny ity. Raha ny marina, amin' ny mponina mahay mamaky teny sy manoratra dia miteny frantsay ny 90 % ary miteny pôrtogey ny 10 %. Ankoatra izany, ny Angôley bakôngô izay natao sesitany tany amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia mazàna mampiasa ny fiteny frantsay sy ny fiteny lingala kokoa noho ny fiteny pôrtogey sy ny fiteny kikôngô.

Fiteny afrikana[hanova | hanova ny fango]

Ankapobeny[hanova | hanova ny fango]

Misy fiteny teratany miisa 33 ny ao Angôla ka ny enina lehibe indrindra ao, izay natao fitenim-pirenena, dia ny fiteny kikôngô, ny fiteny kimbondo, ny fiteny tsôkoe, ny fiteny ombondo, ny fiteny ngangela ary ny fiteny koaniama. Ny fanisana natao tamin' ny taona 2014 dia naneho fa mihalany mpiteny ny fitenim-pirenena satria tsy misy ny fampitana azy ireo amin' ny taranaka taty aoriana, satria miezaka miteny pôrtogey ny tokantrano angôley. Na dia izany aza dia mbola misy 9 tapitrisa ny Angôley roa taona no ho miakatra mampiasa fiteny mihoatra ny roa ao an-tokantranony, izany hoe ny 38 %n' ny mponina.

Lisitry ny fiteny afrikana ao Angôla[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny fiteny teratany ao Angôla: fiteny fiôte, fiteny hererô, fiteny kikôngô (na fiteny kôngô), fiteny kimbondo, fiteny koaniama, fiteny lingala, fiteny lovale, fiteny mohomby, fiteny ngangela, fiteny nianeka, fiteny ombondo, fiteny pôrtogey, fiteny tsôkoe, fiteny lotsazy, fiteny ôvambô.

Fiteny avy any Azia[hanova | hanova ny fango]

Misy (tena vitsy) amin' ny Angôley taranaka libaney ny miteny arabo sy/na frantsay. Noho ny fitomboan' ny fifandraisan' i Angôla sy i Sina dia misy vondrom-piarahamonina miteny sinoa miisa 300 000 eo ho eo izao. Ny fiteny rômany dia ampiasain' ny Rôma vitsy anisa any Angôla. Natao sesitany any Angola avy any Pôrtogaly ny Rôma.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]