Fiangonana zokiny

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiangonana zokiny, eto Madagasikara, dia ireo fiangonana kristiana efa nisy teto amin' ny Nosy talohan' ny fiangonana maro niforona na tonga teto taty aoriana. Teny mifameno amin' ny hoe "fiangonana zandriny" ny hoe "fiangonana zokiny". Eto Madagasikara, ny fiangonana milaza ny tenany na lazaina hoe "zokiny" dia ny fiangonana milaza tena na lazaina hoe "fiangonan-dehibe" na "fiangonana ara-tantara" toy ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina, ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ny Eklesia Episkopaly Malagasy, ny Fiangonana Ôrtôdôksa sy ny sisa. Eto Madagasikara ihany no mampiasa io andian-teny hoe "fiangonana zokiny" io ka tsy tena mazava tsara ny famaritana mety homen' ny olona azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]