Fiangonana tany Sardisy

Avy amin'i Wikipedia
Ireo tanàna nisy ny fiangonan' ny Apôkalipsy

Ny fiangonana tany Sardisy na eglizin' i Sarda na Sardy dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Jaona) fa nandefasana taratasy.

Toerana nisy azy ara-bakiteny[hanova | hanova ny fango]

I Sardisy na Sarda na Sardy dia tamàna niorina eo amoron' ny renirano Pactole, teo amin' ny toerana iorenan' ny tanàna ao Torkia atao hoe Sart.

Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

1 Ary soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Sardisy:

Izao no lazain' ilay manana ny Fanahy fiton' Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. 2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan' Andriamanitro. 3 Dia tsarovy ny amin' ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin' ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. 4 Kanefa misy olona vitsy atý aminao atý Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.

5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin' ny bokin' ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan' ny Raiko sy eo anatrehan' ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. (Apô 3.1-6, Ny Baiboly)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]