Fiangonana tany Efesôsy

Avy amin'i Wikipedia
Ireo tanàna nisy ny fiangonan' ny Apôkalipsy

Ny fiangonana tany Efesôsy na ny eglizy tany Efezy na Efeso dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Jaona) fa nandefasana taratasy.

Toerana nisy azy ara-bakiteny[hanova | hanova ny fango]

I Efesôsy na Efesosy na Efeso na Efezy dia iray amin' i reo tanàna tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin' ireo tanàn-dehibe grika tany Azia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Iônia. Isan' ireo seranan-tsambo lehibe tao amin' ny Ranomasina Egea izy.

Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

1 Soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Efesosy.

Izao no lazain' ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan' ny fanaovan-jiro volamena fito: 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.

4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin' ny fitiavanao voalohany ianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin' ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. 6 Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan' ny Nikolaita, izay halako koa.

7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin' ny hazon' aina, izay eo amin' ny Paradisan' Andriamanitra. (Apô 2.1-7, Ny Baiboly).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]