Fanoroana:Famoronana lahatsoratra vaovao

Avy amin'i Wikipedia

Ity pejy ity dia manoro anao ny fomba fanombohana lahatsoratra eo amin'ny wikipedia malagasy.

Ny lahatsoratra eto amin'ny wikipedia eto dia azo foronin' iza na iza, tsy tahaky ny any amin'ny wikipedia anglisy (ny olona nisoratra anarana ihany no afaka mamoron-dahatsoratra any). Raha olona tsy nisoratra anarana ianao ka te-handray anjara eto amin'ny wikipedia matetitetika, dia andana misoratra anarana, raha tsy te-hisoratra anarana ianao, dia tsy maninona fa tonga dia afaka manoratra avy hatrany.

Fomba tsotra[hanova | hanova ny fango]

1. Tadiavo ny anaran'ilay lahatsoratra tianao hoforonina eo amin'ny fitaovana eo ankavia.

2. Eo ambonin'ny valim-pikarohana, tsindrio ilay rohy miloko

  mbola tsy misy ity takelaka

3. Soraty ny lahatsoratrao eo amin'ny toerana fanoratana azy. Ny bokotra « topi-maso » dia afahana mahita ilay lahatsoratra nosoratanao alohan'ny famoahana azy, ary ny bokotra « tehirizo » dia mametraka ny lahatsoratrao eo an-tsehatra avy hatrany.

Manoratra ilay lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Ilaina ny manao fikarohana fampahalalàna, anaty loharanon-karena azo vangiana na ohaviana na ohaviana ary azo antoka. Jereo Loharanon-karena na mandana any amin'ny wikipedia hafa raha ohatra ka te-handika lahatsoratra amin'ny teny malahasy ianao.

Ilaina malaza, tsara jerena ilay lohateny. Raha manana lahatsoratra ho azy manokana anaty raki-phalalàna tsotra ilay foto-kevitra (raha ao amin'ny Encyclopædia Universalis izy ohatra) na raki-pahalalàna natokana (jereo ny lisitry ny raki-pahalalàna eo amin'ny Internet), tsy lainga fa mety manana potentiel tsaratsara ilay foto-kevitra.

Maka ny fotoanany aloha ny manao lahatsoratra, vao mesa tsara ny potentiel ara-draki-pahalalàna rehefa vita izy. Tsara andramana ao amin'ny pejim-pikambana ilay foto-kevitra raha ohatra ka lava ary mametraka azy ao amin'ny anaran-tsehatry ny lahatsoratra rehefa vita. Tsara mangataka famakiana sy hevitry ny mpandray anjara sasany.

Ho an'ny lohateny, ataovy mazava tsara ny lohateny, aza atao sora-baventy ilay izy (jereo ny fitsipika ara-tipôgrafia) manjary tsy hita. Aza asiana fanafohezana ny anaran-olona... Raha manana fanontaniana ianao, dia andana manoratra any amin' ny mpandrindra ; ary rehefa manontany mpandrindra, manokafa kaonty ary apetraho ao ny adiresy imailaka.

Ny votoatiny[hanova | hanova ny fango]

Ny votoarin'i Wikipedia dia :

  • Foto-panoritana ilay foto-kevitra, ny ataony, ny ilaina azy, ny anjara asany, ny toerana sy fotoana isiany, ary fa maninona izy no fantatra. Ireo votoatiny ireo dia apetraka anatin'ilay ambangovangom-panombohana, na anatin'ny andinin'ilay fizarana tsara isiany.
  • Ny nanjadina ny endrika, ny fivoarany, ny anjarany, ny tantarany, ny fahitan'ny vahoaka.

Ny fianjadiana dia tsy maintsy azavaina tsara. Raha tsy izany, atao any amina lahatsoratra afa ilay izy.

Ny endri-pejy[hanova | hanova ny fango]

Momban'ny endri-pejy, ny lahatsoratra tsara dia manomboka amina fampidirana, mitohy amin'ny fizarana mazava tsara, tsiahy, rohy makany amin'ny lahatsoratra misy fifandraisana amin'ilay foto-kevitra.


Ny paragrafy dia tokony atao sady fohy mba tsy hahaleo sy handany fotoana, sady lava mba hakamafaka tsara ny hevitra iray. Ny paragrafy lava loatra tsy tokony ho zaraina, raha mifanaraka amin'ilay foto-kevitra ny paragrafy akaiky aminy.

Ny paragrafy vita fehezanteny iray dia tsy mampahazoto ny mpamaky, ary noho izany tsy ampiasaina matetika. Ny lahatsoratra ao an-draki-pahalalàna dia tsy tokony fifanohizana paragrafy fohy loatra.

Misy paragrafy sasantsasany mety mitovy, amin'ny fomba rehetra, amina tabilao na lisitra. Amin'ireny, tsara atao lisitra na prôzy ny paragrafy tahak' ireny.

Raha azo asiana sary ilay lahatsoratra, dia safidio tsara ny toerana anasianao ilay sary. Apetraho eo amin'ny toerana manazava azy ilay sary ary ataovy arakaraky ny hangezan'ny efi-jery sy ny lahatsoratra ilay izy. Raha ohatra ka fohifohy ilay fanazavana, dia ataovy ao anatin'ilay sary ilay izy, ho an'ny fanaovana izany zavatra izany, dia jereo ny fanoroana mikasika ny fametrahan-tsary ao anaty lahatsoratra.


Ny hangezan'ny lahatsoratra tsotra dia tokony tsy hihoatra ny 100 kilôoktety, mba tsy hanasarotra ny fanovana ilay lahatsoratra. Heritreretina fa ho zarazaraina anaty lahatsoratra mirohy madinidinika angamba ilay lahatsoratra rehefa mihoatra ny 100 Ko ny lanjany.

Ary rehefa zarazaraina anaty lahatsoratra madinidinika ilay lahatsoratra mavesatra be, dia tokony mitovy anarana amin'ilay fizarana momba azy ao amin'ny lahatsoratra reniny ilay lahatsoratra "zanany". Ny lahatsoratra "zanany" dia tsy maintsy avelatra tsara, ho tahaka ny lahatsoratra "reniny" , fa momban'ny foto-kevitra mifandray amin'io lahatsoratra reniny io. Ho an'ny famangiana ny lahatsoratra zanany, tsara ampiasaina ny endrika {{lahatsoratra antsipirihany}}(md) eo amin'ny lahatsoratra reniny mba afahan'ny mpamangy hamangy azy.