Antsiva (malagasy)

Avy amin'i Wikipedia
Antsiva vita amin' ny akorandriaka Etritonium gigas, noloahana eo amin' ny sisiny

Ny antsiva dia zavamaneno tsofina, karazana anjombona namboarina amin' ny akorandriaka. Antsoina hoe bankora, bakora, angaroa, antsiva-be, anjombe, maromogny, beabobo na maromena koa io zavamaneno io. Amboarina amin' ny akorandriaka Etritonium gigas nolavahana tokana amin' ny sisiny.

Eto Madagasikara, indrindra any amorontsiraka, dia ampiasaina izy mba hamoriana ny vahoaka. Any amin' ny Antambahoaka dia manana ny anjara toerany ny antsiva mandritra ny Sambatra sy amin' ny antsan-tromba ary amin' ny baheza na bahaiza (antsa atao mandritra ny fiandrasam-paty). Taloha dia tsofina ny antsiva amin' ny fanarahana ny mpanjaka any amin' ny amorontsiraka. Atao hoe bakôra ny anarany any amin' ny Betsimisaraka sy ny Antankarana.

Matetika avahana amin' ny antsiva lahy, izay marani-peo sy kely kokoa, antsiva vavy izay be feo kokoa sady lehibe kokoa. Lehilahy irery ihany no mitspka azy mandritra ny lanonana nentim-paharazana toy ny Fitampoha sy ny Sambatra ary ny Tsangan-tsaina, ka heverina ho zava-masina izy.