Ankarana

Avy amin'i Wikipedia

Ankarana dia ny faritra feran' ny ony Sambirano avy eo amin' ny saikanosy Ampasimena (ilany andrefana) sy i Bemarivo any Vohimarina (ilany atsinanana) mianavaratra hatrany Antsiranana. Any Ankarana no faritra nisy ny Antankarana tamin' ny vanimpotoana fara-mpanjaka.

Tantara sy fomban-drazana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taonjato faha-19, dia nialokaloka tao afovoan' ny tandavan-tendrombohitra ireo mpanjakan' ny Antankarana mba handositra ireo foko any afovoan-tany. Mbola maro ireo lava-bato misy ny fasan' ny mpankalan' izy ireo. Ny mpanjaka antakarana Tsialana II izay maty tamin' ny Oktobra 1924 ihany no tsy nety nalevina araka ny fomban-drazana.

Raha ny amin' ny faritry ny tandavan-tendrombohitra Ankarana manokana, noho ny fahamasinan' ilay toerana ho Antankarana dia misy ny fady manokana (mitsimpona, mihaza...), ankoatra ny fady iraisan' ny Malagasy rehetra. Anisan' ny voarara ny fihinanana henan-kisoa na henan-dambo na ny mihinana voanjobory. Fady koa ny manao firaisana ara-nofo na mamamany na angery ao. Tsy mahazo miditra ao anaty zohy ny vehivavy tonga fotoana. Voarara tsy hiditra ao amin' ny lava-bato ny olona avy amin' ny foko afovoan-tany (Merina) noho ny ady nisy tamin' izy ireo sy ny Antankarana.