Amôniôsy Sakasy

Avy amin'i Wikipedia

I Amoniôst Sakasy dia filôzôfa nampiana-tena platônisiana helenista avy any Aleksandria, izay heverina ho mpialoha lalana ny neôplatônisma sy/na iray amin' ny mpanorina azy. Mpampianatra an’ i Plôtinôsy no tena ahafantarana azy, izay nampianariny tamin’ ny taona 232 ka hatramin’ ny 242. Teraka tamin' ny taona 175 tao Aleksandria ary maty tamin' ny taona 242 tao Aleksandria ihany izy. Tsy isalasalana fa nisy fiantraikany lehibe indrindra teo amin' i Plôtinôsy izy tamin' ny fampandrodoana ny neôplatônisma, na dia kely aza no fantatra momba ny fomba fijeriny ara-pilôzôfia. Nambaran’ ny mpanoratra kristiana tatỳ aoriana fa Kristiana i Amôniôsy, nefa heverina amin’ ny ankapobeny izy fa nisy Amôniôsy avy any Aleksandria hafa izay nanoratra lahatsoratra ara-Baiboly. Amin' ny teny grika ny anarany dia Ἀμμώνιος Σακκᾶς / Ammonios Sakkas.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]