Abu Bakr

Avy amin'i Wikipedia
Abu Bakr
Ankapobeny
Anarana Abu Bakr
Teraka taona 573
Maty 23 Aogositra 634
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Abu Bakr dia rafozan' ny mpaminany Mohamady sady kalifa voalohan' ny silamo, izay nanapaka tamin' ny taona 632 hatramin' ny 634. Teraka tamin' ny taona 570 izy ary maty tamin' ny 23 Aogositra 634. Ho an' ny ankamaroan' ny Sonita, i Abu Bakr no voalohany amin' ny "kalifa voatarika marina" (arabo: الخلفاء الراشدون / al-Khulafāʾ al-Rāshidūn) efatra, miaraka amin' i Omar sy i Othman ary i Ali.

Mpanara-dia an' i Mohamady[hanova | hanova ny fango]

Mpivarotra tany Meka na Maka (any Arabia Saodita ankehitriny) i Abu Bakr, izay fantatra amin' ny anarana hoe Al-Siddiq ("Ilay Marina indrindra"), iray amin' ny mpiara-dia voalohany ny mpaminany Mohamady izay narahiny tany Medina, nandritra ny fifindrà-monina (hijra) tamin' ny taona 622, izy. Izy no rain' ny vady tian' ny mpaminany indrindra, atao hoe Aisha, izy no nitarika ny fivahiniana masina mozilmana voalohany tany Meka tamin' ny taona 631. Nandritra ny fotoana namparary an' i Mohamady dia i Abu Bakr no niandraikitra ny fitarihana ny vavaka ampahibemaso.

Kalifa voalohany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny nahafatesan' i Mohamady tamin' ny taona 632 dia i Abu Bakr no voatendry ho "mpandimby ny irak' Andriamanitra" (arabo: Khalifat rasul-Allah). Izy no mpiantoka ny fitehirizana ny hafatry ny Kor'any, nitazona ny firaisan' ny fianakavambe mozilmana (Umma), nampiasa famoretana tamin' ny foko arabo maro izay nivadika tamin' ny fankatoavana ny finoana silamo taorian' ny nahafatesan' i Mohamady. Tamin' ny fanapahan' i Abu Bakr no nanombohan' ny fampielezana ny finoana silamo ivelan' ny Saikanosin' i Arabia. Tamin' ny taona 633, ireo mpitari-tafik' i Abu Bakr rehetra dia nifehy tanteraka ny faritra afovoany amin' i Arabia, ka nanomboka ny fandresena lehibe nataon' ny kaifa mpandimby azy.

Taloha kelin' ny hahafatesan' i Abu Bakr no nanendry an' i Omar na Umar ho mpandimby azy eo amin' ny toeran' ny kalifa.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Uthman Abu Quhafa no rainy.

Ny vadiny dia i Qutaylah bint Abd-al-Uzza, i Umm Rummān Zaynab bint ‘Āmir, i Habiba bint Kharija ary i Asma bint Umays.

Ny zanany dia i Aisha, i Abdullah ibn Abi Bakr, Abdu'l-Rahman ibn Abu Bakr, i Muhammad ibn Abi Bakr, i Asmā' bint Abu Bakr ary i Umm Kulthum bint Abi Bakr.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.