Sekta

Avy amin'i Wikipedia

Ny sekta dia vondrona ara-pivavahana na ara-pilôzofia na ara-pôlitika izay heverina ho manana fampianarana mifanohitra amin' izay ataon' ny maro ho marina na nifandovana.

Amin' ny sehatry ny fivavahana dia azo lazana fa samy afaka manondro izay ataony hoe "sekta" ny karazam-pivavahana rehetra, ka ny sekta taloha rehefa lasa matanjaka dia miantso izay misintaka aminy na tsy mitovy fampianarana aminy aty aoriana hoe "sekta". Misy koa ny atokom-pivavahana lazaina hoe sekta na dia tsy niforona avy amin' ̟ny karazam-pivavahana mahazatra efa nisy talohany. Raha eo amin' ny lalàm-panjakana amin' ny ankapobeny, ny fivavahana na ny finoana iray izay mahatonga ny fahalalahan' ny mpino ao aminy ho very manontolo na amin' ny ampahany no atao hoe "sekta".

Ny teny hoe sekta[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny teny latina hoe sectus ny teny hoe sekta, ka midika tamin' ny voalohany hoe "lalana arahina", "antoko", "antony", "foto-pampianarana", iray tarika amin' ny anarana latina hoe secta, izay samy avy amin' ny matoanteny latina hoe sequi, izay midika hoe "manaraka". Ny fisampanan-teny ny matoanteny latina hafa hoe secare (izay midika hoe "manapaka"), ka nanome ny hoe sectus sy sectum ary secta, dia niteraka fifangaroana nandiso zavatra, nefa nohararaotin' ny mpanoratra kristiana manohitra izay noheveriny ho heresia (fampianaran-diso, finoan-diso) izany.

Marihina fa ny fiteny anglisy dia tsy mampiasa ny teny hoe sect fa ny hoe cult mba hanondroany izay atao amin' ny teny frantsay hoe secte. Mampiasa ny teny hoe sect ny fiteny anglisy nefa tsy amin' ny heviny ratsy. Tsy mitovy izany ny hevitry ny teny frantsay hoe secte sy ny teny anglisy hoe sect. Ny atao amin' ny teny frantsay hoe culte kosa dia lazaina amin' ny teny anglisy hoe cult ihany koa.

Fampiasan' ny mpahay fiarahamonina ilay teny[hanova | hanova ny fango]

Max Weber, 1894

Amin' i Max Weber[hanova | hanova ny fango]

Ny fampiasan' ny manam-pahaizana ny teny hoe sekta dia mampahatsiahy ny asa soratr' ilay sôsiôlôga alemàna atao hoe Max Weber (1864 - 1920) sy ilay teôlôjiana atao hoe Ernst Troeltsch (1865-1922). Izy roa ireo dia samy mamaritra ny ataony hoe "sekta" amin' ny alalan' ny fampifanoherany azy amin' ny ataony hoe "Fiangonana" na "Eglizy", ka ity farany no heverina fa manjaka (na manjakazaka), arahin' ny be sy ny maro. Amin' izy ireo dia manana toetra tsy manilika ny "Fiangonana" satria mandray na ny olo-masina na ny mpanota, na ny olo-marina na ny tsy marina, fa ny "sekta" kosa dia manilika ka tsy mandray afa-tsy ireo mpivavaka miditra lalina amin' ny finoana. Amin' i Weber dia an-tsitrapo ny fidirana ao amin' ny "sekta" iray ka tokony ho mendrika izany izay te hiditra ao. Ny "Fiangonana" kosa dia tsy mandidy izay hiditra ao aminy handalo fanadihadiana na mijery ny toetran' ny olona izay hiditra ao aminy.

Amin' i Ernst Troeltsch[hanova | hanova ny fango]

Ernst Troeltsch

I Troeltsch (1865 - 1923) kosa dia milazalaza ny ataony hoe "sekta" ho vondrona madinika izay matetika betsaka mahantra nahafoy ny zava-tsoan' ity tany ity, ka mitady fifandraisam-pirahalahiana eo no ho eo. Tsy afangaron' i Troeltsch amin' ny "tambajotra mistika", izay misokatra kokoa sady malalaka kokoa ary tsy voafehin' ny fitsipika henjana loatra, ny sekta. Maro amin' ny sôsiôlôga hafa toa an' i Victor W. Turner (1920 - 1983) no manampy koa fa manana fisainana apôkaliptika ny sekta.

Amin' i Bryan Wilson[hanova | hanova ny fango]

Ilay sôsiôloga britanika Bryan Wilson (1926 - 2004) dia mamaritra ny "sekta" araka ny endri-pifandraisany amin' izao tontolo izao. Aminy dia misy ny fivavahana manjaka (be mpanaraka), izay amin' ny ankapobeny mankasitraka ny fihazonana ny lamina efa mipetraka eo amin' ny fiarahamonina, fa ny "sekta" na ny "fivavahana vaovao" kosa dia manohitra izany, ka izay manohitra ny fampianarany dia roahiny. Mihevi-tena ho vondron' olom-boafidy ny mpikambana ao amin' ny "sekta" sady manantitra ny fitovian' ny mpikambana ao aminy nefa ahitana antanan-tohatra hentitra.

Karazana sekta ara-pivavahana[hanova | hanova ny fango]

Misy karazany maro ny fivavahana na fikambanana ara-pivavahana antsona hoe "sekta", ka anisan' izany:

  • ny sampana na firehana na hetsika na sekoly ao anatin' ny fivavahana iray (toy ny ao amin' ny bodisma sy ny hindoisma) izay tsy heverina ho ratsy na diso: tsy misy fanenjehana na famaizana mahazo azy ireo;
  • ny fivavahana heverina fa mampianatra finoan-diso (na heresia) raha mitaha amin' ny fampianaran' ny fivavahana hafa (toy ny kristianisma ampitahaina amin' ny jodaisma, ny prôtestantisma ampitahaina amin' ny katôlisisma, ny fivavahana vaovao ampitahaina amin' ny fivavahana tranainy): matetika izy ireo no vitsy anisa sady iharan' ny fanenjehan' ny fivavahana be mpanaraka izay milaza tena ho hany "fivavahana marina";
  • ny fivavahana heverina fa mametra ny fahalalahan' ny mpikambana ao aminy, mametra ny fifandraisany amin' ny fiarahamonina, manodinkodina ny sain' ny mpikambana ao aminy: matetika izy ireo no heverina ho mandika ny lalàna mifehy ny vahoaka ao amin' ny firenena misy azy (izany no nanakilasiana ny môrmônisma tamin' ny fotoana voalohany nampisy azy, ny Office culturel de Cluny any Frantsa, ny Antrôpôzôfia, ny ), iharan' ny lalàm-panjakana na dia any amin' ny firenena manaja ny fahalalahan' ny fivavahana aza;
  • ny fivavahana atahorana hampidi-doza amin' ny mpikambana ao aminy na eo amin' ny fiarahamonina misy azy (famonoana, fanolanana, famonoan-tena, sns): matetika dia foanan' ny fanjakana tsotra izao izy ireo (anisan' izany ohatra ny People's Temple tany Goiana, ny Ordre du Temple solaire tany Soisa sy Frantsa, ny Heaven's Gate tany California (Etazonia), ny Movement for the Restoration of the Ten Commandments of God tany Oganda), ary misy noho izany ny ady amin' ny sekta.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]