Régis Rajemisa Raolison

Avy amin'i Wikipedia
Hajia misy ny sarin' i Régis Rajemisa Raolison

I Régis Rajemisa Raolison (1913-1990) dia mpanoratra malagasy nisongadina tamin' ny fanoratana boky fampiarana ny fitsipiky ny teny malagasy toa an' Isambilo, ny Fiteny mamiko, ny fanoratana tononkalo, sy rakibolana.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin' ny 8 Mey 1913 tany Antsiranana raha niasa nanao raharaham-panjakana tany rainy sy reniny: Edouard Rajemisa sy Victoire Razaivelo, fa ny tany fiaviany dia Ambatoroka sy Ankadindambo-Ambohimangakely (Antananarivo).

Mpampianatra no raharaha nosafidiny. Ka raha vao nahavita ny fianarana ambaratonga faharoa izy (1931), dia nirotsaka tamin' ny fampianarana, ka tao amin' ny Misiona katolika Manjakandriana aloha (1932), dia tao amin' ny Kolejy Masi-Misely nampanomana CESD (1933-1942), dia tao amin' ny Kolejy iray tsy miankina: Institution Vigny (1943-1946), ary niverina indray tao amin' ny Kolejy Masi-Misely, fa tamin' ny fampianarana ambaratonga faharoa (1947-1957). Voaray hanao raharahan' ny Chef de cabinet tao amin' ny Ministeran' ny Fahasalamana izy (1957-1958), ary dia tafajanona tamin' ny fanjakana (sampana fampianarana) ka nomena toeran' ny mpiandraikitra lefitra tamin' ny sampan-draharaha iray vaovao (Centre d'études et d'information sur la langue et la civilisation malgaches), sady nampianatra sy niasa teny amin' ny Oniversite sy tamin' ny Lycées (1959-1973).

Raim-pianakaviana izy tamin' ny taona 1942, nampakatra ho vadiny an-dRamatoa Julienne Razanajao, izay nanampy azy fatratra hatrany tamin' ny fanomezana hery sy torohevitra. Niteraka dimy izy mivady ary telo ambin' ny folo ny zafikeliny ankehitriny.

Rakibolana malagasy, nosoratan' i Régis Ralemisa Raolison

Tsy mpampianatra ihany anefa izy, fa mpanoratra ihany koa; maro karazana ireo boky nandaniany ron-doha tao anatin' ny dimampolo taona satria tamin' ny taona 1935 no nanoratany voalohany.

Asa soratra[hanova | hanova ny fango]

Grammaire malgache, nosoratan' i Régis Ralemisa Raolison

Betsaka ny asa soratra nataon' i Régis Rajemisa Raolison, ka anisan' izany irero tanisaina manaraka ireto:

  • Ady anaty
  • Dictionnaire Historique et Géographique (1966)
  • Fianarana ny Fitsipi-pitenenana malagasy
  • Fiteny mamiko: kilasy fahatelo (1967)
  • Fiteny mamiko: kilasy fahefatra (1972)
  • Fitsipi-panoratana Malagasy
  • Fomba aman-pahendena malagasy (1972)
  • Grammaire Malgache (1971)
  • Isambilo
  • Les Poètes Malgaches d'expression française
  • Mamy ve ny miaina
  • Mba olom-banona
  • Mba zovy kosa ho' aho? (tononkalo)
  • Misy very anjara
  • Ny Fanantenana (tononkalo)
  • Ny herin' ny Fahatsiarovana (tononkalo)
  • Rakibolana malagasy (1985)
  • Ratolojanahary
  • Rivo-doza
  • Tononkalo sy lahatsoratra: kilasy fahadimy, kilasy fahenina
  • Tsingerim-panina
  • Vakoka: Dictionnaire des Synonymes de la Langue Malgache (1948)

Fikambanana misy azy[hanova | hanova ny fango]

  • Havatsa-UPEM filohan' ny Fikambanana izy hatramin' ny taona niorenany (1952)
  • Académie Malgache (nanomboka tamin' ny 1957)

Mari-boninahitra aman-pankasitrahana[hanova | hanova ny fango]

  • Chevalier de l'Ordre du Mérite de Madagascar 1962
  • Mari-Pankasitrahana avy amin' ny Ministeran' ny Fanolokoloana sy Zavakanto Revolisionera 1981
  • Officier de l'Ordre des Arts et des Lettres (République française) 1981
  • Chevalier de l'Ordre National 1964
  • Officier de l'Ordre National 1978
  • Commandeur de l'Ordre National 1983

Loharano[hanova | hanova ny fango]