Logos

Avy amin'i Wikipedia

Ny teny hoe logos dia teny ampiasaina ao amin' ny filôzôfia tandrefana, ao amin' ny psikôlôjia sy ao amin' ny fahaiza-mandaha-teny, ary koa ao amin' ny fivavahana (indrindra ao amin' ny kristianisma); anisan' ny hevitra fonosiny ny endrika lahateny voasaina mirindra izay mifandray amin' ny fanjohian-kevitra mamaoka sy manatsoaka.

Amin' ny teny grika izany dia atao hoe λόγος / lógos, izay midika ara-bakiteny hoe "teny", "lahateny", "saina", "fifandraisana". Niita-kevitra io teny io ka lasa nanondro ny saina, izay endriky ny fandinihana izay heverina fa avy amin' ny fahaizana mampiasa fiteny (grika: γλῶσσα / glossa na γλῶττα / glotta, izay samy midika hoe "fiteny") na teny (λόγια / lógia, "teny"). Teo amin' ny fandinihana grika tamin' ny Andro Taloha, tamin' ny voalohany, dia lahateny atao ambava na an-tsoratra.

I Aristôty no nandamina voalohany ny fampiasana io teny io, ka nahatonga azy ho anisan' ny foto-pitsipika telo momba ny fahaiza-mandaha-teny, miaraka amin' ny ethos sy ny pathos. Ity fampiasana miavaka io teny io ity dia mamaritra ilay teny akaiky ny rafitra sy ny vontoatin' ny fiteny na ny an' ny lahatsoratra. Na i Platôna sy i Aristôty dia samy nampiasa ny teny hoe logos (miaraka amin' ny hoe rhema) mba hilazana ny fehezanteny sy ny fehezankevitra.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Tsy misy teny malagasy izay mahafaoka ny hevitra rehetra raketin' ny teny grika hoe lógos sy ny fampiasana azy isan-karazany: raha ny marina dia afaka manondro ny fitenenana, ny lahateny, ary ny fifandraisana izy io, nefa mety hidika koa hoe "saina", "famaritana", "fanjohian-kevitra" na "fanohanan-kevitra" koa aza. Ny teny hoe logos dia ahazoana ny tovana hoe -lôga, -lôjia, -lôjika ary -lôjista, izay manondro ny taranjam-pahalalana (siansa); amin' ny ankapobeny, ny anaran-taranja no misy ny tovana -lôjia, ny anarana anondroana ilay olona mandalina an' io taranja io no ahitana ny tovana -lôga, ary ny mpamari-toetra dia miafara amin' ny tovana -lôjika. Ohatra: arkeôlôjia, teôlôjia, mozikôlôjia, entômôlôjia, sôsiôlôjia, etnôlôjia, sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]