Fiteny any India

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny faritra itenenana indrindra ny fiteny any India

Ny fiteny any India dia maro dia maro sady ao amin' ny fianakaviam-piteny maro samihafa. Nahitana fiteny miisa 270 ny fanisana natao tamin' ny taona 2011, ka ny 122 dia fiteny lehibe (be mpampiasa). Manao ny 22 amin' ireo fiteny ireo ho fiteny ôfisialy ny lalàmpanorenana indiana. Ny 77 % amin' ny vahoaka indiana dia miteny fiteny indô-ariana (ka ny be mpiteny indrindra dia ny fiteny hindy izay fiteny nibeazan' ny olona miisa 422 tapitrisa, izany hoe 41 % amin' ny mponina), ny 20 % amin' ny mponina no miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny dravidiana. Ny fianakaviam-piteny hafa hita ao India dia ny fiteny aostrôaziatika, ny fiteny sinô-tibetana, ny fiteny tai-kaday, ary fiteny manirery vitsivitsy. Ny fiteny anglisy, izay fitenin' ny mpanjana-tany britanika, dia fiteny voalohany na faharoa safidin' ny 12 %n' ny mponina. Ny fiteny hindy no fiteny ôfisialin' ny governemanta iraisana. Araka ny lalàmpanorenana dia miato tsy ho fiteny ôfisialy faharoa ny fiteny anglisy dimy ambin' ny folo taona aorian' ny fahaleovantena, nefa noho ny fanoheran' ny fanjakana indiana sasany izay tsy miteny hindy dia nandany lalàna tamin' ny taona 1963 ny Antenimiera izay nihazona ny sata maha fiteny ôfisialy faharoa io fiteny io. Miisa 22 ny fiteny voatanisa ao amin' ny Tovana fahavalo ao amin' ny lalàmpanorenana. Misy fiteny dimy ambin' ny folo hafa koa izay manana sata ôfisialy amin' ny fanjakana na tany sasany ao India.

Ny fiteny indô-ariana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny indô-ariana dia sampana iray ao amin' ny fiteny indô-iraniana, izay ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo, isan' izany ny ao India.

Fiteny indô-ariana be mpiteny indrindra[hanova | hanova ny fango]

Fiteny hindy sy fiteny ordo[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ifandraisana amin’ ny daholobe tao amin' ny tapany avaratr’ i India (sy any Pakistàna) ny fiteny hindi-ordo na koa fiteny hindostany. Manana endrika ôfisialy roa io fiteny io, dia ny fiteny hindy sy ny fiteny ordo.

Fitenim-pirenen' i India ny fiteny hindỳ. Ny isan' ny olona miteny azy dia misy 480 tapitrisa eo ho eo, 360 tapitrisa amin' ireo no manana ny fiteny hindỳ ho fitenin-dreny. Any avaratr' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny hindỳ. Soratana amin' ny alalan' ny abogida devanagary ny fiteny hindy.

Tsy fiteny any India fotsiny fa any Pakistana koa ny fiteny ordò, izay mitovitovy amin' ny fiteny hindy izy fa soratana amin' ny abidy arabo. Betsaka ny teny indramin' ny fiteny ordò amin' ny fiteny persana sy fiteny arabo.

Fiteny bengaly[hanova | hanova ny fango]

Fiteny tenenina indrindra any India atsinanana ny fiteny bengaly, nefa tetenina koa any Bangladesy, anisan' ny fiteny ôfisialin' i India, indrindra any amin' ny faritanin' i Bengal Andrefana sy any Tripura. Araka ny fanontan' ny World Almanac 1999, ny fiteny bengaly dia fitenin-drenin' ny olona miisa 207 tapitrisa. Teny indô-eorôpeana any atsinanana indrindra ny fiteny bengaly, manampy ny fiteny asamey.

Fiteny maraty[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny olona miisa 75 tapitrisa any ho any India ny fiteny maraty, indrindra ao amin' ny fanjakan' i Maharashtra sy Goa. Iray amin' ny fiteny ôfisialy any India ny fiteny maraty.

Fiteny indô-ariana hafa[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny fiteny indô-ariana be mpapiasa ao India koa ny fiteny gojaraty sy ny fiteny ôdià (na ôrià) ary ny fiteny penjaby. Ny fiteny gojaraty no fitenin' ny mponina ao Gujarat, izay ampiasain' ny olona miisa 46 tapitrisa any India sy maneran-tany.

Ny fiteny dravidiana[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa 30 any ho any izay samy ao India avokoa ny fianakaviam-piteny dravidiana, ka tenenina indrindra ao amin' ny tapany atsimon' i India. Misy mampiasa azy ireo koa ny any Srilanka sy ny any Pakistàna ary ny vahoaka indiana nifindra monina. Ny tena be mpampiasa dia ny fiteny telogo, ny fiteny tamily, ny fiteny malaialama ary ny fiteny kanada.

Fiteny dravidiana be mpiteny indrindra[hanova | hanova ny fango]

[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny olona miisa 70 tapitrisa any ho any ny fiteny telogo, Tenenina indrindra any amin' ny faritra Andhra Pradesh, izay manao azy ho fiteny ôfisialy izy io. Fiteny ôfisialy ihany koa izy any amin' ny faritra Karnataka sy Maharashtra ary any Odissa (na Orissa).

Fiteny tamily[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery ary Karîkâl ny fiteny tamily. Fiteny ôfisialy koa io fiteny io any Singaporo. Miisa 74 tapitrisa mahery ny mpiteny tamily maneran-tany, araka ny voalazan' ny World Almanac 1994.

Fiteny dravidiana hafa[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny fiteny dravidiana be mpiteny hafa koa ny fiteny kanada sy ny fiteny malaialama. Fiteny any amin' ny faritra atsimon' i India ny fiteny kanada, izay fiteny tena antitra indrindra amin' ny fiteny diravidiana, fiteny ôfisialin' i Karnataka, ampiasain' ny olona miisa 45 tapitrisa any ho any.

Ny fiteny malaialama dia anisan' ny fiteny tenenina any amin' ny tapany atsimon' i India, fiteny ôfisialin' ny faritany mizakatenan' i Kerala, fiteny ôfisialy koa ao amin' ny faritan' i Lakshadweep sy any Pondicherry, fiteny ôfisialin' i India ihany koa, izay misy mpiteny miisa 35,9 tapitrisa any ho any.

Ny fianakaviam-piteny sy vondrom-piteny hafa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny aostrôaziatika[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsina any India ny fiteny aostrôaziatika. Heverina ho fitenin' ny tompon-tany ao Azia Atsimo-Atsinanana sy any amin' ny tapany atsinanan' i India ireo fiteny ireo. Miisa 10 tapitrisa ny mpiteny aostrôaziatika any India, 6 tapitrisa ny mpiteny sinô-tibetàna, izany hoe 3 % amin' ny mponina. Anisan' ny fiteny aostrôneziana ny fiteny kasỳ (khasi) sy ny fiteny monda (munda) ary ny fiteny santalỳ (santali). Anisan' ny fiteny ao amin' ny vondro-nosy Nicobar. Ankoatry ny fiteny kasy sy ny fiteny santaly dia fiteny tandindomin-doza ny fiteny aostrôaziatika ao India.

Fiteny sinô-tibetana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny sinô-tibetana dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo-Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo.

Fiteny tai-kaday[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny tai-kaday dia fianakaviam-piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitana fiteny miisa zato any ho any tenenina ao amin' ny saikanosin' i Indôsina sy any amin' ny faritra atsimo ao Sina.

Fiteny andamaney[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny any Andamàna dia vondrom-piteny ao amin' ny nosy Andamàna ao atsimo atsinanan' i India, atsinanan' i Srilanka, andrefan' i Mianmara, tenenin' ny tompon-tany andamaney. Misy vondrona roa ao amin' izany fianakaviam-piteny izany, dia ny fiteny andamaney lehibe sy ny fiteny andamaney avaratra (atao hoe fiteny ônge-jaraoà, mba tsy hisian' ny fampifangaroana azy amin' ny sampan' ny fiteny andamaney lehibe any avaratra).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]