Fahavalo (sikidy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fahavalo, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahavalo, mipetraka eny amin' ny fàfana farany ambony, anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain' ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny rafy na ny mpifanandrina amin' ny tena.

Fanasokajiana[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Fahavalo.

Fomba fahazoana ny Fahavalo[hanova | hanova ny fango]

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahavalo: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny Alisay no ahazoana ny Fahavalo: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny tongotry ny Tale no lohany, ny tongotry ny Maly no tratrany, ny tongotry ny Fahatelo no vaniany ary ny tongotry ny Bilady no tongony.

Fampifanampiana ny soratry ny Fahavalo[hanova | hanova ny fango]

Ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny an' ny Fahavalo no ahazoana ny soratry ny Fahasivy (tsanganana faha-9) izay anisan' ireo atao hoe tera-tsikidy.

Hevitry ny hoe Fahavalo[hanova | hanova ny fango]

Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny rafy na ny mpifanandrina amin' ny tena, ao amin' ny sikidy malagasy. Ny fanakarana ny hevitry ny soratry ny Fahavalo no manambara ny mombamomba ny rafy na ny fahavalo na ny mpifanandrina amin' ny tena. Ny Fahavalo dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-kevitra azo anovozana[hanova | hanova ny fango]

Boky[hanova | hanova ny fango]

  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]