Wikipedia:Takelaka/8 2015

Avy amin'i Wikipedia

Ny kapila mateza dia fitaovana ampiasain’ny solosaina ho an’ny fitahirizana fampahalalana. Mandraikitra ny fampahalalana amin’ny alalan’ny fijanonan’ny herin’andriamby amina kapila ahodikodina ny kapila mateza. Ny mari-drefy ampiasaina amin’ny fandanjana ny angona azo tahirizina dia ny oktety. Ny oktety dia bit valo milahatra. Refesina amin’ny gigaoktety, izay iray miliara oktety, ny fahafaham-pitahirizan’ny kapila mateza. Ireo kapila mateza izay namboarina nanomboka tanatin’ny taom-polo 2010 dia refesina amin’ny teraoktety izay midika "arivo gigaoktety".

Ny orinasa IBM no namorona ary nanomboka nampiasa azy ireo tamin’ny taona 1956. Lasa fitahirizan’angona faharoa ho an’ny solosaina fampiasa amin’ny ankapobeny izy ireo tamin’ny fihatombohan’ny taompolo 1960. Ampihatsarana hatrany izy ireo ary ampiasaina amin’ny solosain’ny tsirairay ary ny servera ankehitriny. Orinasa miisa roanjato mahery no efa namoaka kapila mateza, na dia orinasa telo no tena hita misongadina toa i Seagate, Toshiba na Western Digital. Ny vola manontolo voaangona amin’ny fivarotana izy ireo dia 32 miliara dôlara isan-taona izay nihena telo isan-jato raha oharina amin’ny taona 2012. (tohiny...)