Wikipedia:Takelaka/8 2011

Avy amin'i Wikipedia

Ny soratra dia fomba fametrahana an-tsary ny volan'ny fiteny iray, amin'ny alalan'ny endri-tsoratra soratana na natao sary (eo amina taratasy, ohatra), hahafahana mifanakalo fampahalalana haingana kokoa ary tsy mila feo. Manasaraka ny Fotoana Nialohan'ny Tantara sy ny Tantara ny taona namoronana ny soratra. Ny endri-tsoratra voalohany indrindra fantatra amin'izao tontolo izao diaendri-tsoratra hieroglifila hita tany Abydos (400 km mial al ao Le Caire) eo amina vilany tany hita tanaty fasam-panjaka taloha. tamin'ny taona -3400 ireo soratra ireo no nosoratana. Taona maromaro taty aoriana, mipoita ny soratra miendrika fantsika (cunéiforme) an'ny Fanjakambe Someriana, tamin'ny taona -3300 teo ho eo. (tohiny...)