Wikipedia:Takelaka/3 2018

Avy amin'i Wikipedia

I Jordana dia ony ao Atsianana Afovoany mirefy 360 km izay mipoitra avy ao amin’ny tendrombohitra Anti-Libanona sady avy avaratra mianatsimo ka mivarina any amin’i Ranomasina Maty. Mandavan-taona ny fikorianany no tsy miova firy koa ny habetsahan’ny rano entiny (salany : 32 m3/s) noho ny fisian’ny rano madinika mamatsy azy, dia i Iarmoka, izay mipoitra avy anaty vato sokay sy avy amina ranomandry. Ny lohasahany no iva indrindra eran-tany satria mahatakatra any amin’ny 421 m ambanin’ny ranomasina.

Tao amin'ny ony Jordana no nanaovan’i Joany batemy (na batisa) an’i Jesoa, araka ny voasoratra ao amin’ny Evanjely ao amin’ny Baiboly ary mbola misy toerana izay namboarina ao amin’ny fialan’i Jordana ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada na Galilia) hanaovana batisa ireo Kristiana mpanao fivahiniana masina. (tohiny...)