Wikipedia:Takelaka/2 2020

Avy amin'i Wikipedia
Ny Bazilika Masindahy Piera

Ny bazilika Masindahy Piera dia trano fiangonana lehibe indrindra amin'ny fivavahana katolika. Ao Vatikàna eo amin'ny ilan'ny renirano Tibra, no iorenany, ary ny mitodika manoloana ny Toera-malalaka Masindahy Piera. Atao hoe Basilica Sancti Petri izy amin'ny teny latina fa Basilica di San Pietro in Vaticano kosa amin'ny teny italiana.

Eo amin'ny toerana nahatongavan'ireo mpanao fivahiniana masina voalohany hanao fanompoam-pivavahana amin'i Md Piera no nanorenana azy araka ny sitrapon'i Konstantino I, eo amin'ny toarana nisy ny toeram-pilalaovana naorin'i Kaligola sy i Nerô.

Ny papa Jolio II, avy eo ny mpandimbyazy Leo X, dia nampiasa ny endolzansy (na indolzansa), tamin'ny alalan'i alalan'ilay dominikana alemàna atao hoe Johann Tetzel, mba hamatsiam-bola ny fanamboarana ilay bazilika. Nanameloka izany fivarotana ny endolzasy izany i Martin Lotera ao amin'ireo tsangan-kevitra 95 (31 Oktobra 1517), izay noheveriny fa fanararaotana nataon'ny Eglizy katolika romana sy fanodinana ny sitrapon'Andriamanitra. Izany no niteraka ny reformasiona sy ny protestantisma.

Voasoratra ho isan'ny harena iraisam-pirenena ao amin'ny UNESCO ny bazilika Md Piera, izy no trano vita tamin'ny mari-trano avo lenta sady izy no trano be mpitsidika indrindra maneran-tany. Nanomboka tamin'ny 18 Avrily 1506 ny nanamboarana azy ka tsy nifarana izany raha tsy tamin'ny taona 1626. Isan'ireo mpanao mari-trano nandray anjara tamin'ny fanamboarana ilay bazilika i Donato Bramante sy i Michelangelo di Lodovico Buonarroti Simoni sy i Carlo Maderno ary i Gian Lorenzo Bernini.

Na dia tsy voasoratra ao amin'ny Testamenta Vaovao aza ny nahatongavan'ny apostoly Piera (na Petera) tao Roma amin'ny maha lohan'ny Fiangonana kristiana azy (eveka voalohan'i Antiôka sy Roma, papa voalohany), na ny nahafatesany martira tao, dia manambara ny Katolika, araka ny lovantsofina, fa ao afovoan' io bazilika io no misy ny fasan'i Md Piera.

Mahasarika mpanao fivahiniana masina maro ny bazilika Md Piera izay mahatarika Katolilka miisa any amin'ny 150 000 isan'alahady amin'ny fotoam-pivavahan'ny vavaky ny anjely (angelus) tarihin'ny papa. Izy no trano foangonan'ny papa sy ny Fanjakan'i Vatikàna. (tohiny...)