Wartburg (any Alemaina)

Avy amin'i Wikipedia
Lapan' i Wartburg

I Wartburg dia lapa naorina tamin' ny Andro Antenatenany, eo ambony hantsana mirefy 410 m any atsimo-andrefan' i Eisenach, ao amin' ny fanjakan' i Thüringen, any Alemaina. Tao no fonenan’ i Mb. Elisabeth avy any Hongria, ilay toerana nadikan’ i Martin Lotera ny Testamenta Vaovaon’ny Baiboly ho amin’ ny teny alemàna, ilay toerana nanaovana ny Festivalin’ i Wartburg tamin’ ny taona 1817 ary noheverina ho toerana nisy an’ ilay Sängerkrieg (fifaninanan' ny pôety na mpihira) malaza. Aingam-panahy lehibe ho an' i Ludwig II izany rehefa nanapa-kevitra ny hanorina ny Lapan' i Neuschwanstein izy. I Wartburg no toerana fizahàn-tany be mpitsidika indrindra any Thüringen aorian' i Weimar. Na dia mbola misy rafitra tany am-boalohany aza ny lapa amin' izao fotoana izao, nanomboka tamin' ny taonjato faha-12 ka hatramin' ny faha-15, ny ankamaroan' ny ao anatiny dia novana nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 ihany. Tamin' ny taona 1999, ny lapan' i Wartburg dia voarakitra ao amin' ny lisitry ny Lova Iraisam-pirenenan' ny UNESCO noho ny maritranony natao tamin' ny Andro Antenatenany sy noho ny lanjany ara-tantara sy ara-pivavahana.