Vanim-potoana mesianika

Avy amin'i Wikipedia

Ny vanim-potoana mesianika, ao amin' ny fivavahana abrahamika, dia vanim-potoana ho avy izay hanjakan' ny Mesia eto an-tany ary hitondra fiadanana sy firahalahiana ho an' ny rehetra, tsy misy ratsy. Amin' ny teny hebreo izany dia atao hoe יְמוֹת הַמָּשִׁיחַ. Maro no mino fa hisy tokoa ny vanim-potoana toy izany; misy milaza azy io ho fahatanterahan' ny "Fanjakan' Andriamanitra" na "izao tontolo izao ho avy". Mino ny Jiosy fa mbola ho avy izany olona izany, fa ny Kristianina sy ny Mozilmana kosa dia mino fa i Jesoa Kristy izany.