Uranus

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny fajiry Uranus

Ny Uranus dia fajiry faha fiton'ny Masoandro. Faha telo amin'ny hangeza ary faha efatra amin'ny lanja. Avy amin'ny anarana grikan'ny Andriamanitry ny lanitra Uranus (Οὐρανός) ny anarany, ny ray Cronos (Saturne) ary dadaben'i Zeus (Jupiter). Uranus no fajiry voalohany hita tamin'ny andro moderna. Na dia hita maso ohatra ny fajiry dimy tsotra aza izy, ny tondro ara-pajiriny dia tsy fantatra tsara noho ny izy zara fa manjelatra (hazavana anelanelan'ny 5,3 sy 5,7 na manodidin'ny 6). Nilaza ny fahitany i William Herschel tamin'ny 13 Martsa 1781. Uranus ny fajiry hita voalohany tamin'ny teleskôpy.

Uranus sy neptune dia fajiry manana laha-tombo samihafa amin'ny fajiribe tahaka ny Jupiter sy Saturne. Sokajian'ny astrônôma anaty sokajy manokana izy : fajiry mivaingana (planète glacées), na zana-pajiribe (sous-géantes). Ny atmosferan' Uranus, na dia misy hidirôzenina sy helium aza, misy ranomandry, amôniaka, metana, ary hidirôkarbiora. Amin'ny fajiry rehetra an'ny Masoandro, Uranus no manana soson-drivotra mangatsiaka indrindra, ny hatsiaka farany mangatsiaka indrindra dia 49 K (-224 °C), any amin'ny tropopaozy (haambo 56 km sy 0,1 bar). Manana rafi-drahona larolaro izy : misy rano ny rahona any amin'ny sosona ambany, ary misy metanina any amin'ny sosona ambony.

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]

Miteny frantsay[hanova | modifier le wikitexte]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.