Sokajy:Wikipedia:Fikambanana

Avy amin'i Wikipedia

Ekeko akia ry tiako hoe izay no lahatra satria potika ny faniriako na nihezaka namahatra

ilay fitia saika ahorina teo ambony vatolampy saika hitsiry sy hiforona kanjo indrisy nihamafy

noheverina ho tsara nokinasa fahasambarana nefa indrisy fa tantara efa madiva hifarana

tiako ianao ka tena tiako saingy tsy anjara ny hirifiry niafiako hiafiako mandram-piafara

natambatambatro ny vetso nokaloiko sy NARINDRA ilay fiarahana misento noho ilay fitia voatery hafindra

aleo angamba ho ahy ny tsiny satria izaho no tsy nahandry mbola lavitra iny lalana iny izy koa angamba efa sasa-miandry

tso-drano no ataoko dia tiavo ilay nitianao ilay tora-po izay fanaoko no afaka hilazako izao

iny onjan-dranomasina izay nitopa tsy nandena nampatsiahy tantara iray izaho sy ianao tao edena

iny tara-bolam-pahazavana izay niaraha-nibanjina no nanjary ho afanana sy ho todiana mba ho tanjona

ilay orokao mangina tao anaty ranomaso tsy nampitony fahoriana tsy nampitsahatra ankaso

fa toa zary tsiaro ihany ho tsangambato fahatsiarovana dia ny amin-tsika izany ilay fitia nahatorovana

eny eh, efa izay no lalana voatendry ho diaviko lalana tsimaintsy aleha ka sanatria raha ho laviko

omeo azy ilay fitia izy mantsy no hitako fa mendrika ny anareo koa ho doria fa ny ahy fitia efa ho rendrika

niatsampitsapy foana sanatria tsy jiolahimboto niandry lava ny fotoana hay ianao efa mana-tompo.

Ireo lahatsoratra ao amin'ny sokajy "Wikipedia:Fikambanana"

Misy pejy 1 ato amin'ity ity sokajy ity. Pejy 1 no aseho ato.