Sivilizasiôna Jiroft

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sivilizasiôna Jiroft na Kolontsaina Jiroft dia kolontsaina arkeôlôjika tany am-piandohan' ny Andron' ny Alimo (taonarivo fahatelo tal J.K.), tao amin' ny Faritanin' i Sistan o Baluchestan sy ny Faritanin' i Kermān ao Iràna ankehitriny.

Ny karazana toerana natolotra dia Konar Sandal, akaikin' i Jiroft ao amin' ny faritry ny ony Halil. Ny toerana manan-danja hafa mifandray amin' ilay kolontsaina dia ahitana an' i Shahr-e Sukhteh ("Tanàna may"), i Tepe Bampur, i Espiedej, i Shahdad, i Tal-i-Iblis ary i Tepe Yahya.

Ny famondronana ireo toerana ireo ho "sivilizasiôna tsy miankina tamin' ny Andron' ny Alimo manana ny rafitra sy ny fiteniny manokana", eo anelanelan' i Elam any andrefana sy ny Sivilizasiônan' ny Lohasahan' i Indosy any atsinanana, dia hevitra natolotr' i Yusef Majidzadeh, lehiben' ny ekipa mpikaroka arkeôlôjika tao Jiroft (any Iràna afovoany atsimo). Ny petra-kevitra dia mifototra amin' ny fanangonana zava-bitan' olombelona nofongarina sy nalain' ny manampahefana iraniana avy amin' ny mpandroba; eken' ny maro fa avy amin' ny faritr' i Jiroft (araka ny tatitry ny sampan-draharaham-baovao iraniana an-tranonkala, nanomboka tamin' ny taona 2001).