Said Ali bin Said Omar

Avy amin'i Wikipedia
Said Ali bin Said Omar

I Saïd Ali bin Saïd Omar el Maceli al Ba Alawi dia soltanan' i Bambao tao Grande Comore (na Ngazidja) ary maty tamin' ny 10 Febroary 1916 tao Tamatave (na Toamasina). Izy, araka ny fifanarahana nosoniavina tamin' ny mpanjanaka Léon Humblot, no hany soltana nanapaka teo amin' ny nosy manontolo. Zanakalahin' i Saidi Omar avy any Anjouan (na Nzwani) izy, saingy ny maha-manara-dreny ny fampitana fananana ao amin' ny kolontsaina kômôriana no nahazoany ny seza fiandrianan' ny Soltanatan' i Bambao. Zafikelin' i Saïd Achmet any Bambao izy.

Tamin' ny taona 1875 izy no tonga teo amin' ny fitondrana rehefa maty ny raibeny, fony izy tany Mayotte izay nahazoany fanabeazana eorôpeana. Niverina tany Moroni izy ary nanamafy ny zony teo amin' ny soltanata.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]