Roalahiny

Avy amin'i Wikipedia
Karazana roalahiny : miaraka amin'ny anode (lahinabo) ary ny cathode (lahiniba)
Roalahiny hita eo amin'ny tsena haikoriam-boanaratra ary ampiasaina amin'ny olik'aratra.

Ny roalahiny, na diôdy dia mpiorina haikoriam-boanaratra. Mpiorina tsy lineary izy io ary tsy mifandrify, izany hoe tsy mandeha ilay izy raha vao avadika ny fidirana ary ny fivoahan'ny rian'aratra. Maromaro ireo mpiorina izay mitondra izay manana fihetsika sahala an'ny roalahiny ary manana fifanohizana P-N avokoa izy ireo.

Ny fihetsiky ny roalahiny dia mamela ny rianaratra handrika araka ny todiny : mamela ny rianaratra ny roalahiny raha ny fifanohizana P no idiran'ny rianaratra, ary tsy mamela izy raha P no fifanohizana ivoahany.

Ampiasaina anaty mpanitsy zitina izay hahafahana mamadika ny zitina miherina ho lasa zitina mikararana

Fandeha ara-teôria[hanova | hanova ny fango]

Ny roalahiny dia mpiorina mamela ny rianaratra hikoriana raha avy any amin'ny lahinabo mankany amin'ny lahiniba ny fikorian'ny rianaratra. Hita eo ambonin'ilay foniny ny lahinabo ary ny lahiniba.