Rindrin'i Berlin

Avy amin'i Wikipedia
Rindrin'i Berlin (1985)
Vavahadin'i Brandenburg 1980

Ny alin' ny 12 aogositra 1961 no nananganan' ny Repoblika Demôkratika Alemàna ny Rindrin' i Berlin, mba hampitsaharana ny fifindran' ny mponina ao ho any amin' ny Repoblika Federalin' i Alemaina. Ny Fifanarahan' i Varsovie dia anisan' ny nanome vahana ny fananganana io "rindrina" io, satria ho an' i Alemaina Atsinanana dia fiarovany amin' ny fanafihana sy mety ho fidirana an-keriny ataon' ny tafika avy ao andrefana izy io.

Tsy rindrina fe rindrina fotsiny anefa, fa voaaro amin' ny herin'aratra, sy arovan' ireo mpiambina izay afaka manao fisafoana tsy miato noho izy rindrina natao azo ivezivezena.

Maro tamin' ny olona nandositra avy any atsinanana no namoy ny ainy teo amin' io rindrina io, satria tsy mba nitsitsy ny mpiambina mahatratra fa tonga dia mitifitra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]