Quand les étoiles rencontrent la mer

Avy amin'i Wikipedia

Quand les étoiles rencontrent la mer (Rehefa mihaona ny ranomasina sy ny kintana) dia horonantsary malagasy notontosain'i Raymond Rajaonarivelo nivoaka tamin'ny taona 1996 ary nilalaovan'i Jean Rabenjamina, Joseph Ranizafilahy, Rondro Rasoanaivo, Aimée Razafindrafarasoa, Louis Vahandanitra, sy Barbara Razanajao.

Tantara nafintina[hanova | hanova ny fango]

Tao amina vohitra kely dia teraka tamin'ny andro nisy tako-masoandro ny zaza iray. Araka ny fomban-drazana dia manana hery manimba goavana izany zaza izany ka mba handringanana izany dia apetraka indray alina anaty valan'omby ilay zaza voateraka., izany hoe maty ho voaitsakitsaky ny omby, na mivoaka velona ary lasa olona tahaka ny hafa. Velona ihany ilay zaza nantsoina hoe Kapila na dia mandringa aza. Nentin'ny reniny mpitaiza lavitry ny vohitra izy ary hiharan'ny herisetra sy ny fahantràna ao an-tanàna. Rehefa maty ny namany dia lasa hitady ny rainy i Kapila izay nahafantatra momba ny fiaviany voaozona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]