Aller au contenu

Pleiada (angano)

Avy amin'i Wikipedia
Ireo Pleiada, nataon'i Elihu Vedder tamin'ny taona 1885.

Ny Pleiada dia anarana iantsoana ny zanaka vavy fiton' ny titàna Atlasy sy ny Ôkeanisy Pleionê (Ὠκεανίς / Ôkeanís; Πληιόνη / Plêiónê). Antsoina amin' ny teny grika hoe Πλειάδες / Pleiádes izy ireo. Avy amin' ny anaran-drenin' izy ireo (Pleionê) no nahazoana io anarana iombonany io. Izao avy ny anaran' ny Pleiada tsirairay araka ny fizokiany:

  1. Maia (grika: Μαῖα / Maĩa);
  2. Alkiônê (grika: Ἁλκυόνη / Αlkuónē);
  3. Asterôpe (na Sterôpe) (grika: Στερόπη / Sterόpê na Ἀστερόπη / Asterόpê);
  4. Kelainô (grika: Κελαινό / Kelainó);
  5. Elektra (grika: Ἠλέκτρα / Êléktra);
  6. Taigete (grika: Ταϋγέτη / Taügétê);
  7. Merope (grika: Μερόπη / Μerόpê).
Ireo kintana Pleiada araka ny sary azo avy eo amin'ny Observatoaran'ny tendrombohitra Palomar

Amin'ny sehatry ny haikintana dia antokon-kintana koa ny anarana hoe Pleiada.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]